Onjam-peo Rindra, feo ho an'ny Tanindrazana
8 martsa, Hafatry Rtoa Lalao Ravalomanana
08 Mars 2010
Kabarin-dramatoa Lalao Ravalomanana
fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy
8 MARSA 2010
Ry Vehivavy Malagasy Mpiray Tanindrazana,
Ny voalohan-teny dia fisaorana an’Andriamanitra. Tsy diso anjara tamin’ny fanomezam-pahasoavan’ilay Nahary isika, ka tratr’izao vaninandro izao.
Amin’izao andron’ny 8 marsa 2010 fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy izao, dia raisiko ho fifaliana sy voninahitra ny miarahaba ny Vehivavy malagasy rehetra tsy an-kanavaka eran’ny Nosy, nahatratra ity andro anio ity. “Ny tiana tsy mahalavi-tany” hoy ny fitenenana, ary “ny elanelan-tany manamafy ny herim-pitiavana”, ka izany arahaba izany dia sady atolotra am-pitiavana noho ny firaisan-kinantsika samy vehivavy, ary ho mariky ny firaisan-kina sy ny Fihavanana amin’ny Vahaoka Malagasy iray manontolo.
8 martsa, ankolafy Ravalomanana
09 Mars 2010
Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy
Tontosa androany ny fankalazana ny 8 Mars ho an’ny Mouvance Marc Ravalomanana. Fambolen-kazo tany Ambatomanga, district Manjakandriana no nanamarihana izany.
Fiara efa ho zato latsaka no nandray ny fiaingana teny Ankorondrano . Tokony tamin’ny 08 ora no fiaingana saingy noho ny habetsahan’ny olona dia voatery nitady fiara fanampiny indray ny mpikarakara .Efa tamin’ny 10 ora mahery vao tafiditra tao anaty fiara avokoa ny mpandeha rehetra .Niara niainga ireo fiara maro nitanjozotra namonjy an’Ambatomanga. Ny fiara tsirairay dia nasiana ny sarin’ny Filoha Ravalomanana. Hafaliana ny an’ireo vahoaka nolalovana nahita indray ny sarin’ny Filoha Ravalomanana, indrindra f’ireo tantsaha sy mpianatra.
Magro 6 martsa
06 Mars 2010
Androany Sabotsy no fotoan-dehibe nifanomezana ho an’ireo vahoaka mitaky ny hampiharana ny Satan’ i Maputo sy Addis-Abeba. Tonga maro ny vahoaka nampiseho ny fahavononany. Niavaka ny androany satria tonga teny ankianja ny Filoha Mpiara mitantana ny Tetezamita Fetison Rakoto Andrianirina sy ny Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita Mamy Rakotoarivelo. Ankoatr’ireo dia mbola niditra nivantana ny Filoha Marc Ravalomanana
Nanambara ny Filoha Ravalomanana fa tsy hisy ny fihaonana any Addis Abeba amin’ny herinandro ambony satra tsy ho any i Rajoelina kanefa koa tsy mazava ny antony tsy ahatongavany any , Camille Vital no efa any saingy tsy misy mety mandray azy ireo tompon’andraikitra iraisam-pirenena. Nankahery ny vahoaka malagasy tsy ho kivy ny Filoha Ravalomanana fa efa akaiky ny fandresena.
Antson'ny Filoha Ravalomanana Magro 6 Martsa
06 Mars 2010
Kabary mivantana tao amin'ny Magro androany 6 martsa.
Un deuxième coup d'état
05 Mars 2010
L’imagination est sans limite quand la communauté internationale est à vos trousses et qu’elle vous brandit des punitions qui vous empêcheront d’accéder à ce fameux sésame qui manque tant à votre cv de demandeur de reconnaissance. Mais l’auteur d’un putsch ne sera jamais qu’un petit charlatan de la démocratie. Réussir à réunir deux mille personnes, doit être à la portée de celui qui est capable de renverser avec les armes, un pouvoir démocratiquement élu.
Affronter le choix des malgaches est un autre défi plus difficile à assumer, qu’il cherche à esquiver à tout prix. Du courage, il en faudra beaucoup à celui qui se réclame du peuple. En grand fossoyeur de l’information, rien ne l’arrête pour faire croire qu’une réunion de zélateurs illuminés, suffirait pour décider à la place d’un peuple, ce qu’il advient de son avenir. Ne porte pas les habits de démocrate qui veut. Planter un décorum d’un simili rassemblement participatif, rappelle affreusement ceux qui ont été organisés à l’époque des chemises brunes.
Magro 5 Martsa
05 Mars 2010
Nitohy tetsy amin’ny kianjan’ny ara-dalàna Ankorondrano androany Zoma 05 Martsa ny hetsiky ny vahoaka mitaky ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny tovana Addis Abeba.
Nandray fitenenana voalohany ny solontenan’ny komity miaro ny satan’i Maputo sy tovana Addis Abeba avy any amin’ny fokontany. Nanentana ny isam-pokontany izireo ho tongamaro eny amin’ny Magro rahampitso.
Tsy miala amin’ny satan’I Maputo isika fa izay ny hahatongantsika amin’ny fandresena hoy Andriamatoa Be François avy amin’ny ankolafy Madagasikara. Efa akaiky ny 16 Martsa hilatsahan’ny sazy avy amin’ny GIC ka tokony hiala ny Fat, fa raha tsy izany dia hanome sazy azy ihany koa ny vahoaka Malagasy.
Magro 3 martsa
03 Mars 2010
Androany Alarobia 3 martsa no fotoan-dehibe nifanomezana nisehoan’ireo komity miaro ny Satan’i Maputo avy any amin’ny fokontany isan’isany. Filaharam-be no nanehoan’izireo ny fisiany, maro ireo kabary nifandimbiasana fa ny nampiavaka ny androany dia niditra mivantana indray ny Filoha Ravalomanana.
Hafatry ny Filoha Ravalomanana
COUP D ETAT 17 MARS
RADIO RINDRA
7 ora : Fotoam-pivavahana magro+Mitombo amin'ny fahafantarana an'i Kristy 8 ora vaovao omaly 10 ora : Tonokalo 11 ora : Vehivavy mirindra 12 ora : Mitombo amin'ny fahafantarana an'i Kristy - Antso ho an'ny malagasy eran-tany1 ora15 : vaovao anio 2 ora : rindra-kevitra 3 ora : Serasera mirindra 5 ora : rindra an-teny 6 ora : tonokalo 7 ora Mitombo amin'ny fahafantarana an'i Kristy - Antso ho an'ny malagasy eran-tany
8 ora : Vaovao anio, Antso ho an'ny malagasy eran-tany, Rindra-kevitra, Mitombo amin'ny fahafantarana an'i Kristy (Hodibibin'ny edena)
Mirary ny fiadanan'ny Tompo ho ao amintsika tsirairay avy -
contact@rindra.info
GTT
REFLEXION DU JOUR
Vous ne pouvez pas aider les hommes continuellement en faisant pour eux ce qu'ils pourraient et devraient faire eux-mêmes. Abraham Lincoln
Visiteurs Connectés
Nous avons 70 invités en ligneVisiteurs








Conférence débat du 20 juin
Razily, mahery fo









