|
vaovao misongadina 22-11-08 |
Tovolahy nisy namono Voakapa antsy ny lohany, ny tapany ambany sisa hita notarihin’ny alika
Misy dian’antsy ny ila lohany havia ary nokapaina mitsivalana ny tampon-dohany, tsy hita ihany koa ny nanjavonan’ny ilan-tanany. Niparitaka manodidina azy ny potipotika tamin’ny tapany ambonin’ny vatany, ny tapany ambany sisa hita ary efa notarihin'ny alika. Tamin’ny fomba feno habibiana toy izany no namonoana ilay tovolahy 18 taona ary nasitrik’ireo mpamono tao anaty lavaka marivo mora nailiky ny alika. Ny 14 novambra teo no nahitan'ny tompon’ilay tanimboly nandevenan’ireo olon-dratsy azy. Nampandre ny mponina sy ny manampahefana avy hatrany izy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tovolahy kely antsoina hoe Rija, avy any Fandriana, ity nisy namono ity. Mpivaro-damba mandeha no asany ary rehefa mahalafo izy dia mividy volamena indray avy eo. Araka ny fitantaran’ireo olona nifanerasera taminy dia vola teo amin’ny 3 hetsy sy 1 tapitrisa ariary no hitany farany tany aminy, miampy entana iray sakaosy, fakan-tsary ary bisikileta mbola vaovao. 5 lahy izao no efa voatazona: nisy nitondra ilay bisikileta ary nisy 3 lahy tratra nihaodihaody teo amin’ny toerana nilevenan'ilay razana. Mety ho tamin’ny fiandohan’ny novambra no nisy namono izy. Ny razana dia efa nalain’ny fianakaviany. Efa ho iray volana izao no tonga nitady azy ny rainy noho izy tsy nody hatramin’ny 26 jona lasa teo. Fy / H.A.R. |
|