Ao anatin’ny fanatanterahana ny Madagasikara Amperin’asa (MAP), dia voninahitra sy fifaliana ho an’ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Madagasikara eto Alemana ny manasa ny Malagasy monina eto Alemana sy ny manodidina (Scandinavie, Autriche, Belgique, Luxembourg, Hollande, France, sns) hanatrika ny fihaonana karakarainy miaraka amin’ny Wittenberg Center for Global Ethics, izay hatao ao Lutherstadt Wittenberg ny Zoma faha 10 sy Asabotsy faha 11 Oktobra 2008 ho avy izao.
Ny fihaonana dia haompana amin’izay ho anjara birikin’ny Malagasy am-pielezana amin’ny Fampandrosoana ny tanindrazana iombonana. Ity fihaonana ity dia iarahantsika amin’ny:
- ireo teratany am-pielezana avy amin’ny firenen-kafa izay nanao toy izany ho an’ny fireneny avy (Afrika, Azia);
- sehatr’asa alemana manampy ireo teratany mody any amin’ny fireneny;
- solontenan’ireo orinasa lehibe any Madagasikara mitady mpiasa Malagasy avy aty an-dafy.
Araka izany dia hisy vahiny avy any Madagasikara handray anjara amin’ny fihaonana.
Ny teny ampiasaina dia ny teny Anglisy, Alemana ary Malagasy. Ny fisoratana anarana sy ny andinindinin’ny Fihaonana dia ho hitanao eto amin’ny tranonkala, na azonao anontaniana ao amin’ny Ambasadin’i Madagasikara, eto Berlin, tel: 49 33 22 23 14 0
e-mail:
This e-mail address is being protected from spam bots, you need JavaScript enabled to view it
Toy izao ny fandaharam-potoana :
- amin'ny teny anglisy (PDF)
- amin'ny teny alemana (PDF)
Dia misaotra anao mialoha ary mametraka ny mandrapihaona vetivety.
Ny Masoivohon'i Madagasikara
1. Master of Public Management (01.04.2008 - 31.05.2010)
- Information ( PDF / WORD ) - Applying information ( PDF / WORD )
- MPM Application ( PDF / WORD ) - Application Questionnaire ( PDF / WORD )
- Webseite (weiter...)
2. International Leadership Training Speyer (01.09.2009 - 15.06.2011)
- SPEYER Application ( PDF / WORD ) - SPEYER Bewerbungsunterlagen ( PDF / WORD )
- Webseite (weiter...)
-
Fanamarihana ny Fetim-Pirenena sy ny faha-125 taonan’ny fifandraisan’i Alemana sy Madagasikara
Ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Madagasikara eto Alemana dia faly manasa antsika Malagasy tsy ankanavaka, monina eto Alemana sy ny manodidina, ho tonga hanatrika ireto fotoana manaraka ireto:
1. Fanompoam-pivavahana eokiomenika
Ny Alahady 22 jona 2008 manomboka amin’ny 2 ora tolakandro
Ao amin’ny:
Katholische Akademie Berlin e. V.
Hannoversche Str. 5
10115 Berlin
Hisy fiarahana miala hetaheta aorian’ny fotoana.
2. Varavarana mivoha
Ny Zoma 27 sy Sabotsy 28 Jona 2008, amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro.
Ao amin’ny:
Masoivohon’i Madagasikara
Seepromenade 92
14612 Falkensee
Hisy fampisehoana ny tantaran’ny fifandraisan’i Alemana sy Madagasikara sy varotra fampirantiana ary zava-kanto vitan’ny artista Malagasy.
3. Fiaraha-mikorana
Ny Sabotsy 28 Jona 2008 manomboka amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 4 ora maraina
Ao amin’ny:
Bambushalle
Toptegel
Wittestrasse 30 J
13509 Berlin
Ny andinindininy mikasika izany dia azo jerena ao amin’ny tranonkala.
- FIOFANANA KARAKARAIN'NY "INWENT" ETO ALEMANA MIKASIKA NY ANGOVO
Hotontosaina any Munich ny 15-28 Jona 2008 ary mitondra ny lohateny: "Technologies des Energies Renouvelables spéciales pour Madagascar" (Tsindrio eto)
- FANDALOVAN'NY FILOHAN'NY REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA TETO ALEMANA
Araka ny fantatsika dia nandalo teto Alemana ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara ny 8 ka hatramin'ny 12 avrily teo. Indro aseho anao ato ny andinindininy mikasika izany. (Tsindrio eto)
Ao anatin’ny fanamarihana ny faha 125 taona nifandraisan’i Madagasikara sy Alemana, dia hisy famelabelarana mikasika izany ao amin’ny
ao amin'ny Oniversiten'i Bremen
salle GU B 3010
ny Alatsinainy 21 avrily 2008 manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro, araka ny loha hevitra hoe : « Die Entwicklung der Kultur in den deutsch-madagassischen Beziehungen » izay ataon-dRamatoa Dr. Beby Soa Saholy RAMINOSOA, Mpampianatra ao amin’ny Oniversite Antananarivo.
Dia maniry ny fahatongavantsika maro.
- FANKALAZANA NY ANDRON'I MADAGASIKARA NY 25-26.04.08 AO MUNICH (Tsindrio eto )
- TATITRA MIKASIKA NY RIVO-DOZA „IVAN“
Raha tianao ho hita ny andinindininy mikasika ny fandalovan’ny rivo-doza „Ivan“ tany an-tanindrazana ny 20.02.08 lasa teo (soratra, sary sy horonan-tsary) dia:
o Mankanesa any amin’ny pejy „www.anre.gov.mg“ (na tsindrio eto)
o Tsindrio avy eo ny „Telechargement „ izay eo ankavian’ny pejy
o Araho ny torohevitra
- BOURSE DE FORMATION PRATIQUE EN LEADERSHIP
« International Leadership Training Programme for young professionals from Sub-Saharan Africa, an Initiative of German Industry » (cliquer ici)