Onjam-peo Rindra, feo ho an'ny Tanindrazana
MAGRO 11 MARS 2010
11 Mars 2010
Na dia novoizina mafy tamin’ny gazety sasany aza fa tsy azon’ny vahoaka mpitaky ny ara-dalana atao intsony ny mivory eny amin’ny Magro dia mbola tanteraka soamantsara ny fihaonana teo ambany fitarihan’ny mouvance Madagasikar. Nangorompotsy ny kianja androany satria nanaraka ny hafatra nataon’ny hetsiky ny mpitondra fivavahana ny vahoaka hitafy ankanjo fotsyNandray fitenenana voalohany ny Reverend Satrobory , nasiany resaka ny tsy rariny ataon’ny fianakaviana Ramaroson izay tsy mahalafo savony intsony noho ny hafatra natao nanomboka teny Ambohijatovo tsy hividy ny savonnerie tropicale. Ankehitriny hoy ny Reverend Satrobory dia miseho mizara savony eny amin’ny faritra iva ry zareo, kanefa dia isika vahoaka no tsy maintsy handoa ny saran’izany. Izao indray koa dia terena ny ministeran’ny vola tsy hamela ny orinasa maorisiana hampiditra ny savoniny eto.
MAGRO 10 MARTSA
10 Mars 2010
Vory lanona ny vahoaka teny amin’ny kianjan’ny ara-dalàna na dia nirotsaka aza ny orana.
Nandray fitenenana voalohany ny solontenan’ireo mpitarika ny komity miaro ny satan’i Maputo. Antso ho an’ny fanatevenana ny komity no nataony sy fitaomana ho tonga maro hatrany eny amin’ny kianjan’ny ara-dalàna.
MAGRO 09 MARTSA
09 Mars 2010
Nandray fitenenana voalohany ny solontenan’ny komity miaro ny satan’i Maputo avy ao amin’ny boriborintany faha 6. Nanambara izireo fa tsy tokony hatahotra ny fampihorohoroana eny amin’ny fokontany isika satria tsy ny mpitondra no tokony hampitahotra ny vahoaka.
8 martsa, Hafatry Rtoa Lalao Ravalomanana
08 Mars 2010
Kabarin-dramatoa Lalao Ravalomanana
fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy
8 MARSA 2010
Ry Vehivavy Malagasy Mpiray Tanindrazana,
Ny voalohan-teny dia fisaorana an’Andriamanitra. Tsy diso anjara tamin’ny fanomezam-pahasoavan’ilay Nahary isika, ka tratr’izao vaninandro izao.
Amin’izao andron’ny 8 marsa 2010 fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy izao, dia raisiko ho fifaliana sy voninahitra ny miarahaba ny Vehivavy malagasy rehetra tsy an-kanavaka eran’ny Nosy, nahatratra ity andro anio ity. “Ny tiana tsy mahalavi-tany” hoy ny fitenenana, ary “ny elanelan-tany manamafy ny herim-pitiavana”, ka izany arahaba izany dia sady atolotra am-pitiavana noho ny firaisan-kinantsika samy vehivavy, ary ho mariky ny firaisan-kina sy ny Fihavanana amin’ny Vahaoka Malagasy iray manontolo.
8 martsa, ankolafy Ravalomanana
09 Mars 2010
Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy
Tontosa androany ny fankalazana ny 8 Mars ho an’ny Mouvance Marc Ravalomanana. Fambolen-kazo tany Ambatomanga, district Manjakandriana no nanamarihana izany.
Fiara efa ho zato latsaka no nandray ny fiaingana teny Ankorondrano . Tokony tamin’ny 08 ora no fiaingana saingy noho ny habetsahan’ny olona dia voatery nitady fiara fanampiny indray ny mpikarakara .Efa tamin’ny 10 ora mahery vao tafiditra tao anaty fiara avokoa ny mpandeha rehetra .Niara niainga ireo fiara maro nitanjozotra namonjy an’Ambatomanga. Ny fiara tsirairay dia nasiana ny sarin’ny Filoha Ravalomanana. Hafaliana ny an’ireo vahoaka nolalovana nahita indray ny sarin’ny Filoha Ravalomanana, indrindra f’ireo tantsaha sy mpianatra.
Magro 6 martsa
06 Mars 2010
Androany Sabotsy no fotoan-dehibe nifanomezana ho an’ireo vahoaka mitaky ny hampiharana ny Satan’ i Maputo sy Addis-Abeba. Tonga maro ny vahoaka nampiseho ny fahavononany. Niavaka ny androany satria tonga teny ankianja ny Filoha Mpiara mitantana ny Tetezamita Fetison Rakoto Andrianirina sy ny Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita Mamy Rakotoarivelo. Ankoatr’ireo dia mbola niditra nivantana ny Filoha Marc Ravalomanana
Nanambara ny Filoha Ravalomanana fa tsy hisy ny fihaonana any Addis Abeba amin’ny herinandro ambony satra tsy ho any i Rajoelina kanefa koa tsy mazava ny antony tsy ahatongavany any , Camille Vital no efa any saingy tsy misy mety mandray azy ireo tompon’andraikitra iraisam-pirenena. Nankahery ny vahoaka malagasy tsy ho kivy ny Filoha Ravalomanana fa efa akaiky ny fandresena.
Antson'ny Filoha Ravalomanana Magro 6 Martsa
06 Mars 2010
Kabary mivantana tao amin'ny Magro androany 6 martsa.
COUP D ETAT 17 MARS
RADIO RINDRA
7 ora : Fotoam-pivavahana magro+Mitombo amin'ny fahafantarana an'i Kristy 8 ora vaovao omaly 10 ora : Tonokalo 11 ora : Vehivavy mirindra 12 ora : magro 1 ora15 : vaovao anio 2 ora : rindra-kevitra 3 ora : Serasera mirindra 5 ora : rindra an-teny 6 ora : tonokalo 7 ora Mitombo amin'ny fahafantarana an'i Kristy
8 ora : Vaovao anio, Rindra-kevitra, Mitombo amin'ny fahafantarana an'i Kristy (Abrahama nifona hoani Sodoma)
Mirary ny fiadanan'ny Tompo ho ao amintsika tsirairay avy -
contact@rindra.info
GTT
REFLEXION DU JOUR
Vous ne pouvez pas aider les hommes continuellement en faisant pour eux ce qu'ils pourraient et devraient faire eux-mêmes. Abraham Lincoln
Visiteurs Connectés
Nous avons 21 invités en ligneVisiteurs








Conférence débat du 20 juin
Razily, mahery fo









